4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mandehana - Henri ratsimbazafy

Ref.
Aoka hifarana hatreo ny amin'iny,
isika samy efa leo,tsisy tsiny
Koa mahità ny soa,
Atao ahoana moa
rehefa tsy tamana
MANDEHANA

            Izato ianao dia be safary,
            tsy milaza ny anton-dia,
            nefa hita miharihary
            fa handrava ny fitia
            izaho efa nahalala
            hatry ny ela be
            fa ianao te-hiala
            ka tapa-kevitra aho fa hoe :

Raha toa ianaolokanga
Izaho koa anie valiha,
samy manam-peo manga
samy manana mpitia,
raha varatra ianao
vatolampy koa ny aty
raha iray no mandao
mbola marobe no tia

Partager mandehana

Commenter mandehana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite